3B_40: Ry zanako rehetra eto an-tany izay mandalo fahoriana ankehitriny, tsy very maina ny fijalianareo, indrindra raha atolotrareo Ahy izany. Ny fiodinan’ny vahoakako no tsy maintsy mahatonga izany fanadiovana ny tany izany. Aza mitady hanarina izany tranga izany amin’ny herinareo irery ianareo fa tsy ho vitanareo izany. Hatsaharo ny miantehatra amin’ny tenanareo, ka atodio aty Amiko ny fijerinareo, Izaho izay Andriamanitrareo fa hahazo fiadanam-po, hafaliana, Fitiavana ary Fahazavana ianareo, izay hanampy anareo. Mihaike ny hadisoanareo, ny fihodinanareo, ny fahosanareo dia ho vavolombelon’ny asako ianareo. Mirehipitiavana aminareo tsirairay avy ny foko. Ny Rainareo.
Ny hevitry ny andro
Menu
Lire Plus
Menu
Mitoera ao anatin’ny figagàna
1B_05: R’ilay Bitikako, mitoera ao anatin’ny figagàna ary aoka ianao ho ao anatin’ny fiderana bebekokoa. Rehefa ao anatin’ny fiderana bebekokoa ianao, dia ho vavolombelon’ny Asanay sy ny Fitiavanay bebekokoa. Izay hanentàna ao aminao fiderana betsaka sy antony maro hafa amin’ny figagàna. Vokatr’izany dia hiditra avy hatrany, dieny mbola velona ianao, ao amin’ny fahasambarana mandrakizay.
Afaka miaina ao anatin’ny Fiadanana sy Fifaliana ianao
2B_30: Anaka, afaka miaina ao anatin’ny Fiadanana sy Fifaliana ianao, amin’ny tranga iray izay mampatahotra, mahakivy ary mampitaintaina be ho an’ny olona rehetra. Ny fijerevana an’izany amin’ny alalan’ny masom-pinoana, ary ny fahafantaranao fa kely sy tian’Andriamanitra ianao no andraisanao ao anatinao izay ilainao rehetra mba hazakanao izay mitranga ety ivelany nefa tsy voafehinao.
Ny fifandraisana am-pitiavana amintsika
1E_32: Anaka, aoka tsy hatahotra ianao, mandrosoa mandrakariva mankany amin’izay hitondrako anao. Tsarovy mandrakariva izay tena misy dikany indrindra ho anao : dia ny fifandraisana am-pitiavana amintsika… ianao ao Amiko ary Izaho ao aminao. Tonga tanteraka io fifandraisana io amin’ny alalan’ireo « Eny » ataonao ampankatoavana amin’ny Sitrapoko.
Ny maha samy hafa azy dia ianao manaiky
1D_23: Anaka, tsy vitan’ny tany ny mampanjavona ny oram-panala mandrakotra azy ; ny masoandro ihany no afaka mampanjavona azy. Rehefa miasa ny masoandro dia manjovona aingana be ny oram-panala. Ianao, dia mitovy amin’ny tany ; ireo adin-tsainao ; mitovy amin’ny oram-panala ; ary ny Fitiavana, mitovy amin’ny masoandro, ny maha samy hafa azy dia ianao manaiky mba hiasan’ny Fitiavana.
Hatonga anao ho olona feno Fitiavana
2B_20: Anaka, satria ny Fitiavana dia tia anao, dia amin’ny alalan’izany ihany no hatonga anao ho olona feno Fitiavana. Ireo izay tsapanao fa mifanohitra amin’ny Fitiavana, dia omeo ny Famindrampon’ny Ray mba hanovàny azy ho Fitiavana. Mianàra mijery izay tsara ataon’ny Ray amin’ny hafa, toy izay, mijery ireo tsy fahombiazany sy ireo hadisoanay.
Sarobidy ianao
1A_06: Anaka, sarobidy ianao ho Ahy. Henoy lalandava Aho. Mitarika ny dianao Aho. Sokafako tsirairay ireo làlana izay tokony ho sokafana. Ary hidìko ireo làlana izay tokony hidìna. Izaho no Mahefa ny zavatra rehetra ary mikarakara na dia ireo madinika indrindra eo amin’ny fiainanao aza.
Maro ireo izay
1F_07: Anaka, maro ireo izay voafatotry satana ! Atolory Ahy izy ireny. Afahako izy ary ataoko vavolombelona rehefa voaova amin’ny alalan’ny Fitiavana. Ny Fitiavana no manao ny zavatra rehetra, rehefa avela hiasa Izy. Tiako ianao.
Ny fitokisanao manontolo amin’ny Fitiavan’ny RAY
3A_18: Anaka, ny fametrahanao ny fitokisanao manontolo amin’ny Fitiavan’ny RAY no hanamaivana anao amin’ny lanjan’ny vesatra izay lanjainao. Sambatra ianao mahatakatra izany zava misy izany dia ny herin’ny asan’ny Fitiavanan’ny Ray izay miatomboka mandrakariva aminao, alohan’ny hahitana azy amin’ny manodidina anao ary amin’ny alalanao.
Tiako ny hanaja ny fahalalàhanao
1A_20: Anaka, tiako ny hanaja tanteraka ny fahalalàhanao. Tiako loatra ianao ! Ho Ahy, ny mitia anao, dia ny mamela anao ao anatin’ny fahalalahana aloha. Tokony ho fantatrao koa izany fa raha tianao ny ho ampiasaiko, dia tokony hanaja ny fahalalahan’ireo izay olona ataoko eny amin’ny làlanao eny koa ianao.
- Go to the previous page
- 1
- …
- 14
- 15
- 16
- 17
- 18
- 19
- 20
- …
- 40
- Go to the next page
Misoratra anarana ao amin’ny fampahalalam-baovao hahazoana vaovao farany