1B_31: R’ilay Bitikako, mila fo maro manaiky ny ho tiaviko Aho. Ary rehefa tafiditra ao anatin’ny fo ny Fitiavako, dia hiova ny fony; hafanain’ny Fitiavako, satria mifandray amin’ny Foko ny fony, ary ny Foko dia mifandray tsy tapaka amin’ny Fon’ny Ray, Izy, ilay loharanon’ny Fitiavana.
Ny hevitry ny andro
Menu
Lire Plus
Menu
Manontany tena ianao hoe
1A_17: R’ilay Bitikako, manontany tena ianao hoe : inona no tokony ho hatsarainao… Zavatra iray ihany no manan-danja : Ny hanananao fahatokisana Ahy bebekokoa amin’ny fiainanao, ny hamelanao Ahy bebekokoa hiasa, ny hanananao fahatokisana Ahy hatramin’ny madinika indrindra amin’ny fiainanao.
Rehefa mibanjina ireo fijaliako
1F_21: Anaka, rehefa mibanjina ireo fijaliako, sy ireo fijalian ‘ny RENY-NAO any Andanitra ary ny an’ireo olomasina izay nialoha anao, dia hanovo hery izay ilainao ianao amin’ny alalan’izany, mba tsy ho rava ny « ENY-NAO ». Sambatra ianao izay afaka miara mijaly Amiko.
Mankadiry ny Fitiavako ho anao
1B_03: R’ilay Bitikako, mankadiry ny Fitiavako ho anao ka tsy haiko ny handà anao. Na dia mbola tsy mangataka akory ianao dia efa henoko ny fanirian’ny fonao. Ataoko ho toy ny faniriako izany ary dia atolotro ny Raiko, Rainao no sady Raintsika ary Izy dia handray azy tsy ampisalasalàna ao amin’ny Fitiavany.
Tokana ihany ny faniriako
1E_29: Anaka, aza matahotra manatona miantsampy ety An-tsandriko. Isaky ny manao dingana iray manatona Ahy ianao, dia manao dingana folo Aho mba hihaona aminao. Tokana ihany ny faniriako : dia ny mba ho eo akaikaiky anao. Tiako ianao.
Mitoera amin’ny fanetre-tena tanteraka
2A_23: Ry bitikako, mitoera amin’ny fanetre-tena tanteraka. Rehefa miha midina amin’ny fanetre-tena ianao, dia miha manantona Ahy ianao ary dia ho afaka handray ny Fitiavako. Rehefa miha ovain’ny Fitiavako ianao, dia miha feno fanomezam-pahasoavana (karisma).
Homeko anao ireo fahazavan-
1C_28: Anaka, isaky ny misy fiahiana ianao, aoka ianao ho maika hanome Ahy izany, toy izay hitady vahaolana. Manome toky anao Aho : ho lasa fiahiako ilay izy ary horavako aingana. Aoka ny fonao hitdika mandrakariva aty amiko mba hanandrana ny Fitiavako. Homeko anao ireo fahazavan-tsaina hahitanao ny vahaolana.
Iombona amin’ny Zanako, Jesoa
1B_14: Ry zanako malalako, maniry ny ahita anao iombona amin’ny Zanako, Jesoa, Aho, tahaka an’i Jesoa iray amiko ; dia hikoriana ao aminao ny Fitiavako. Raha miha mikoriana bebe kokoa ao aminao ny Fitiavako, dia vao maika ny Fisainanao ho tonga toy ny Fisainako, izany hoe tsiloviko tanteraka.
Ametrahanao fitokisana
3A_14: Ry Bitikako, rehefa misy aingam-panahy ao anatinao manosika anao hanatona na hiantehatra amin’ny olona iray na olona maro, dia tsy amin’izy ireny no ametrahanao fitokisana fa amin’ny Fitiavan’ny Ray izay hanome tolo-tsaina azy ireo mba hitantana anao tsara. Notsinjarain’ny Ray ireo Fanomezany sy ireo fanomezam-pahasoavany (fahalalana sy fahendrena) amin’ny olona maro, ary ao anatin’ny planim-pitiavany dia tiany ny handalo amin’ny olona mba hatanteraka ny Planiny.
Miaraka aminao Aho
2B_14: Ry zanako malalako, miaraka aminao Aho ary omeko anao avokoa izay ilainao rehetra mba handrosoanao eo amin’ny làlana izay anao, ary hanatanterahanao ny iraka izay ankiniko aminao noho ny Fitiavako an’ireo zanako. Raiso ny oroky ny Ray amin’ny zanany malalany, sy ny tambitambiko ary ny Fitiavako izay zakan’ny fonao ankehitriny.
- Go to the previous page
- 1
- …
- 13
- 14
- 15
- 16
- 17
- 18
- 19
- …
- 40
- Go to the next page
Misoratra anarana ao amin’ny fampahalalam-baovao hahazoana vaovao farany