3B_30: Anaka, rehefa manaiky hanaraka Ahy amin’ny làlako ny olona iray dia tokony hitsahatra hijery ny tenany, ireo fahoriany, ireo hafaliany sy ny fahantrany izy fa hibanjina Ahy sy hijery ny làlana izay tsy maintsy nandalovako namonjena an’izao tontolo izao. Ilay « Eny » atolotra Ahy avy amin’ny alalan’ny fandraisana ny vesatry ny fijaliana be no « Eny » mahafaly ny Ray ary mitondra vokatra betsaka.
Ny hevitry ny andro
Menu
Lire Plus
Menu
Asako izany fa tsy anao
1D_03: Anaka, aza matahotra, miaraka aminao Aho, ary rehefa anankinan’ny Ray iraka ianao, dia omeny ireo Fahasoavana rehetra izay ilaina… Aza adino fa Asako izany fa tsy anao. Ianao, ny ataonao dia ny mitoetra mihaino Ahy sy manaiky hotiavina. Tiako ianao.
Avia eto akaikiko
2B_02: Ry Bitikako, avia eto akaikiko, ary mitoera ao anatin’ny fifandraisam-pitiavana lalina sy lehibe Amiko, izay Andriamanitrao. Ao anatin’io fifandraisam-pitiavana lalina sy lehibe io no hiorina ilay olona vaovao ao anatinao izay maka toerana bebe kokoa hatrany.
Ny fandrosoanao ao anatin’ny finoana madio
2B_19: Ry Bitikako, ny fandrosoanao ao anatin’ny finoana madio no hahitanao izay ataon’ny Ray amin’ny alalanao, ary miaraka amin’izay koa ny hahitanao ireo fiovana izay atao ao aminao.
Ireny tranga mampalahelo anao ireny
2B_37: Anaka, raha mba fantatrao manko fa ireny tranga mampalahelo anao ireny dia tena ilainao ary ilaina ho an’ny iraka ampanaovina anao. Ireny raharaha ireny, na dia toy ny tsy misy dikany loatra raha oharina amin’ny fanovana ny ao anatinao, dia ilaina no sady tsy maintsy miseho mihintsy aza, mba afahanao manaiky hovana araka ny hevim-pitiavan’ny Ray.
Mba tiako ny mijery anao bitika
1D_05: Anaka, mba tiako ny mijery anao bitika, ary manome Ahy ireo adin-tsainao raha vao mitranga aminao. Avy hatrany dia alaiko ho Ahy ireny, ary ianao, jereo tsara manao ahoana ny ampanjavonako azy mba hitodian’ny fonao tanteraka aty Amiko.
Tsy misy fetrany ny Fitiavako anao
1D_22: Anaka, tsy misy fetrany ny Fitiavako anao. Ny mandray Azy fotsiny no ataonao. Nomena anao be dia be izy, ary ny Fitiavana irery ihany no hanamboatra ary efa manamboatra ireo fanovana ao anatin’ny fonao.
Ilay ataoko hoe « bitika » ao aminao
3B_34: Anaka, ilay ataoko hoe « bitika » ao aminao no afaka handray ny Fitiavana izay arotsako ao anatin’ny fonao ankehitriny. Amin’ny alalan’io « bitika » ao aminao io no hanavaozako ny maha olona anao mba hatonga anao ho olon’ny Fitiavana. Ilay « bitika » ao aminao no afaka hizara Fitiavana amin’ny hafa ary avy amin’izany koa handray anjara koa ianao amin’ny fanorenana ny Fiangonana vaovao sy Fiaraha-monina vaovao. Amin’ilay « bitika » ao aminao no hitoriko aminao ny Fitiavako.
Mihazakazaka manatona anao Aho
1D_31: Anaka, isaky ny mitaraina aty Amiko ianao, dia mihazakazaka manatona anao Aho. Dia raisoko eo an-tsandriko indray ianao. Mba tiako ny mamihina ny fonao eo amin’ny Foko ary, isaky ny manao izany Aho dia tonga miha Fitiavana ny fonao.
Izaho ilay Mpiandry ondrinao
1A_16: Anaka, manam-pitiavana betsaka ho Aho. Izaho ilay Mpiandry ondrinao; tena aza matahotra na inona na inona ianao. Miaraka aminao mandrakariva Aho na aiza na aiza misy anao ary na inona na inona ataonao.
- Go to the previous page
- 1
- …
- 11
- 12
- 13
- 14
- 15
- 16
- 17
- …
- 40
- Go to the next page
Misoratra anarana ao amin’ny fampahalalam-baovao hahazoana vaovao farany