2A_07: Anaka, tohizo hatrany ny fanoloranao Ahy ireo fijalianao raha vao tsapanao. Ho tsikaritrao bebekokoa ny Fisiako eo anilanao hanamaivana ny enta-mavesatrao. Tadidio fa tsy irery mandrakizay ianao : miaraka aminao foana Aho.
Ny hevitry ny andro
Menu
Lire Plus
Menu
Omeo izao ankehitriny izao ny « ENY-NAO
2B_27: Anaka, efa antomotra ny fotoana ! Omeo izao ankehitriny izao ny « ENY-NAO ». Mila anao maika ny Ray, mba hanaparitaka ny Fitiavany ety ambonin’ny tany, mba ho tonga ny Fanjakany sy ho tanteraka ny Sitrapony.
Fon-jazanao madio sy tsara tarehy
3A_21: Anaka, izaho, Jesoa, no maniry ny hiresaka amin’ny fon-jazanao kely tsara tarehy. Raha mba fantatrao fa tena tiako ny fon-jazanao madio sy tsara tarehy ! Tena ho faly Aho raha omenao Ahy ny alàlana hitahiry azy hadio ! Hametrahako tafik’Anjely hanodidina anao mba hiaro anao amin’ny tontolon’ny maizina izay iainanareo. Mirehi-pitiavana anao ny Foko.
Perla sarobidy tsy fahita ianao
1F_01: Anaka, mbola mihoatra nohon’ny reny ondry tsara tarehy ianao ho Ahy, perla sarobidy tsy fahita ianao. Fihiniko eo amin’ny Foko sy ny Fon’i Maria Reniko ny fonao, mba ho kilan’ny Afon’ny Fitiavako Afo tanteraka…Tiako ianao, tena tiako tanteraka ianao.
Ny firaisan’ny fonao amin’ny Foko
3A_20: Anaka, ny firaisan’ny fonao amin’ny Foko sy ny Fon’ny Reniko Masina no mitondra anao ao amin’ny Fon’ny Ray. Mba ho tonga ao amin’ny Fon’ny Ray, dia tokony ho voadio tanteraka… Mba ho voadio, dia tokony handalo amin’ireo Afon’ny Fitiavana sy ny fijaliana. Rehefa lasa mamay loatra ho anao ireo Afo ireo, dia faingàna ianao atolory Ahy izy ireo : ho hitanao fa maivana ny jiogako.
Raha te ho tonga lafatra ianao
1F_29: Anaka, raha te ho tonga lafatra ianao, dia tokony aloha hampifanarahanao amin’ny sitrapon’ny Ray ho anao androany ny sitraponao … Ny Fahasoavana dia eo mandrakariva hanohana ny fahalemenao ary hatonga anao ho Fitiavana. Tiana loatra ianao.
Ny Sitrapon’Andriamanitra
1C_22: Anaka, ny Sitrapon’Andriamanitra, dia mba hiaina feno ao amin’ny Fitiavany ny zanany rehetra eto an-tany. Tanterakao ny Sitrapon’Andriamanitra raha tonga Fitiavana ianao. Tonga Afon’ny Fitiavana-Afo ianao, izay handrehitra ny Afo ao anatin’ireo fon’ny olona ankinin’ny Ray aminao. Mitoera ao Amiko.
Tsy ho avelako mandrakizay
1E_18: Anaka, henoy mandrakariva Aho. Tsy ho avelako mandrakizay ireo izay mametraka ny fitokisany Amiko, tsy hiorohoro ny fanahiny ; satria tena eo Aho ary eo ampelan-tànako tsara ny mombanao. Izaho no Andriamanitrao ary tsy hanan-javamahory ianao. Manomana fo maro izay handray anao Aho ankehitriny. Tiako be ianao.
Ianao dia tonga fitaovana izay tiako
2A_22: Ry bitikako, ny zava-dehibe dia ny nanomezanao Ahy ireo « ENY-NAO ». Noraisiko eo ambany fiahiako ianao dia tonga fitaovana izay tiako hatongavanao ianao. Ao anatin’ny fanaikenao feno no afahanao tonga ho io fitaovana io, izay mandroso mibanjina ny Ray, izay afaka miala amin’ny fihevitr’izao tontolo izao.
Apetrao eo an-tanako
1C_05: R’ilay Bitikako, apetrao eo an-tanako ireo zavatra rehetra mitondra fiarovana ho anao sy ireo fanananao rehetra ka atolory Ahy, mba ho afaka miala amin’ireo ianao ; afahanao mijery an’ireo amin’ny tena lanjany, izany hoe tsy misy lanjany… Ny tena hany tokana misy lanjany ho anao, amin’izao fotoana izao, dia ny Fitiavana zay tia anao ka hatonga anao Fitiavana.
- Go to the previous page
- 1
- …
- 9
- 10
- 11
- 12
- 13
- 14
- 15
- …
- 40
- Go to the next page
Misoratra anarana ao amin’ny fampahalalam-baovao hahazoana vaovao farany