1B_13: Anaka, Izaho, Andriamanitrao, Rainao, Mpahary anao irery ihany no afaka hampivelatra ny hatsarana sy ny haren’ny Fitiavana izay napetrako tao aminao. Maniry mafy Aho ny hisehoako bebekokoa ao aminao. Miandry Aho ny hamelànao Ahy hiasa.
Ny hevitry ny andro
Menu
Lire Plus
Menu
Avelao tantànako ianao
2A_02: Ry bitikako, vavolombelona tokoa ianao izao fa tsy ianao no miasa, fa tena ny Fanahy Masina izay miasa ao anatinao, manodidina anao, amin’ny alalanao. Andao hiaraka isika, misaotra ny Ray mba ho tanteraka izany. Avelao tantànako ianao, atodio any amin’ny Ray ny fijerinao, banjino miaraka amiko ny tambitambiny mba hampiasany anao na dia afaka mahavita asa irery aza Izy. Banjino ny Famindram- pony mba hampiasany anao na dia tsy mbola tonga lafatra aza ianao.
Tsy manary anao mandrakizay Aho
1A_04: Ry zanako malalako, miaraka aminao lalandava Aho. Tsy manary anao mandrakizay Aho. Sarobidy loatra amiko ianao, koa raisiko an-tanana ny mikasika anao rehetra. Raisiko andraikitra koa ireo asanao rehetra.
Ny sakana amin’ny Fitiavako
1A_12: Anaka, ny sakana amin’ny Fitiavako dia rehefa tsy ekenao ny maha ianao anao. Tiako amin’ny maha ianao anao io ianao, ary tahaka ny miteny ratsy Ahy mihintsy ianao rehefa tsy manaiky anao amin’ny nahariko anao io. Aza mampitahy anao amin’ny hafa : nohariko ho samy hafa ny olombelona rehetra. Tiako ianao.
Hitodika mankany amin’ny Fahazavana
1F_25: Anaka, ao anatin’ny fifaliana amin’ny fanantenana tsara avy amin’ilay Tany Vaovao no tokony hirosoanao isan’andro. Aza mandany andro mibanjina ny tontolon’ny maizina, fa afantohy ny fijerinao hitodika mankany amin’ny Fahazavana, mankany amin’ny Fitiavana. Tiako loatra ianao.
Tiako ianao ! Tiako ianao ! Tiako ianao !
1B_24: Anaka, Tiako ianao ! Tiako ianao ! Tiako ianao ! Ireo teny ireo dia tokony ho voasoratra ao anatin’ny fanahinao, fonao sy ny sainao, izany hoe ao anatin’ny tenanao manontolo. Manaike ho Tiaviko, Izaho ilay Tomponao. Rehefa mia-manaiky ny hotiavina ianao dia mia-mitoetra ao aminao ny Fitiavako…dia mia-tonga Fitiavana ianao.
Mianatra ny Fitiavana ianao
1A_15: R’ilay Bitikako, mianatra ny Fitiavana ianao ankehitriny. Nofidiko ianao ; ilaiko ianao. Tsy izay ataonao na izay lazainao no zava-dehibe, fa ny Fitiavana izay mitoetra ao anaty fonao.
Mila anao Aho hampitosaka ny Fitiavana
3A_36: Anaka raisiko eo amban’ny Fiarovako mandrakariva ianao satria mila anao Aho hampitosaka ny Fitiavana. Aza manaiky ho fitahan’ny fahavalo izay miezaka ny hampino anao fa afaka hizara Fitiavana ianao avy amin’ny alalan’ny fitondran-tena tsy madio, tsy izany no tena Fitiavana Marina. Ny Fitiavana Marina dia ny Fitiavana avy aty Amiko, izay Andrtiamanitrao.
Ireo olona entinao ao am-ponao
1E_14: Anaka, ireo olona entinao ao am-ponao, dia tsy ianao no mpamonjy an’izy ireo. Ny Mpamonjy azy ireo, dia izaho. Ny ataonao dia ny manankina azy ireo Amiko. Efa eo amin’izy ireo tsirairay avy Aho, tahaka ny ataoko aminao. Tiako ianao.
Omeko finoana miha lehibe
1C_31: Anaka, henoy mandrakariva Aho ! Ataovy ao an-tsainao foana ny Fitiavako anao ! Tohizo ny fibanjinanao Ahy ! Ekeo ny Fitiavana Anao ! Aoka ho bitika mandrakariva ianao ! Ao anatin’ny fahakelezanao no miafina ny Fitsaharako sy ny Fitiavako. Omeko finoana miha lehibe hatrany ianao. Raiso ny finoana, tsy noho ny fahamendrehanao fa noho ny Fahasoavako sy ny Fitiavako. Omeko anao ny Fiadanako.
- Go to the previous page
- 1
- …
- 8
- 9
- 10
- 11
- 12
- 13
- 14
- …
- 40
- Go to the next page
Misoratra anarana ao amin’ny fampahalalam-baovao hahazoana vaovao farany