1C_07: Anaka, avia hihaona amiko ao anatinao. Amin’ireny fihaonana ireny, dia tonga manovo amin’ny Fitiavako ianao izay mitondra Fiadanana sy Fifaliana ho anao : izany no tena fiarovana marina. Ny Fiadanana izay irinao ao aminao, dia tsy ho hitanao raha tsy ao anatin’ny tenanao, fa tsy ho eo ivelan’ny tenanao mandrakizay : Izany no làlana malalaka hampidirako anao amin’izao fotoana izao, miaraka amin’ny fanaikenao.